ILAY ANARAN'ANDRIAMANITRA TSY AZO TONONINA

ANARANA TOKANA MAHAVONJY ETO AMBANY MASOANDRO

Aza manonom-poana ny anaran'Andriamanitra
Ne prononcez pas à faut le nom de Dieu

Ilay anarana, Teny manan-jina, Mantra, Ny fanononana azy, Ireo efa nampiasa azy, Ny asany, Ny ilana azy, Ny fampiasana azy, Mila mahazo alalana vao  mampiasa azy

Ilay anarana

Tsy ireo anarana mahazatra antsika isan'andro no horesahina eto, fa ilay tsy fantatsika, tsy azo tononina ka tsy mbola rentsika.
Tsy mety soratana amin'ny soratra latina izy aloha ary tsy mety adika.

Teny manan-jina

Mantra na teny manan-jina no azo ilazana an'ity anarana ity, Anaran'Andriamanitra amin'ny fitenin'ny olombelona voalohany teto an-tany, talohan'ny safo-drano.
Matetika no lazaina fa teny Hebreo tranainy ireny teny ireny, tsy diso izany nefa tsy marina tanteraka.
Teny ampiasaintsika matetika io hoy aho
Tsy teny Hebreo irery izany ny Anaran'Andriamanitra, hita ao amin'ny tenintsika koa izany fa tsy fantatsika ary tsy ireo tononintsika andavanandro.

Ny fanononana azy

Tsy tahaka ny fampiasantsika ny teny rehetra isan'andro no fanononana azy io, misy milaza fa tsy misy fitenin'Olombelona ahafahana manonona azy.
Efa fantatra kosa nefa ireo feo fanononana azy ireo.
Olona madio ara-panahy ihany nefa no tokony hanonona sy handre azy.
Raha ny tantara fantatra hatreto aloha dia ny mpisoronabe ihany ho an'ny Jiosy no nanonona sy nandre an'io anaran'Andriamanitra io, (tsy manana porofo aloha i Cyrius milaza hoe mahalala an'io anarana io ny mpisoronabe)
Tsy nandre azy kosa ary tsy nanonona azy ny mpivavaka rehetra tao amin'ny tempoly.

Ireo efa nampiasa azy

i Toth, anisan'ny loharano voalohany nipoiran'ny baiboly sy ny fivavahana Ejipsiana no olona fantatra anarana voalohany ho mahalala azy, hitantsika izany ao amin'ny « Table d'Éméraude de Toth ».
Io anaran'Andriamanitra io no nahavonjy azy sy ireo niaraka tamin'ny safo-drano nanjo an'i Atlantide, 12000 taona teo hoe eo izay.
Teo koa i Davida mpanjakan'i Israely (vakio : 1 Samoela 17 : 45)
Ary ny farany, ny mpanoratra.

Ny asany

Raha mamaky a'io andinin-teny voasoratra eo ambony isika, hahita avy hatrany fa miaro amin'ny fahavalo izy, na toy inona habeny, na toy ny ahoana ny heriny, na firy na firy ny isany.
Indro omena anao aloha ny tenin'i Davida tamin'i Goliata izay ho resiny tokoa avy eo :

« 45Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao,...»

Fantatsika ny tohin'ny tantara fa tsy mbola resy an'ady na oviana na oviana i Davida sy izay niaraka taminy, na sendra ny be no ho vitsy aza matetika.
Tsy nila ny fanampian'ireo niaraka taminy akory izy dia ho afaka namono nahafaty an' i Saoly izay nanenjika azy, nombana miaramila maro an'isa kokoa noho ny azy.

Tsy mifanohitra amin'izay voasoratra eo ambony koa ny voalazan'ny salamo 91, fa andininy vitsivitsy ihany no hosoratana eto.

« 14 Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy 15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. 16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko. »

Ity ilay anarana tokana voalazan'ny baiboly hahazoana vonjy eto ambany masoandro.

Ny ilana azy

Samy mahalala ny zava-niseho tamin'ny 26 jona lasa teo isika, nisy indray ny fanaovana sorona ain'olombelona, nahafatesana sy nandratrana olona maro.
Eo ihany koa ny vely  « bois rond », sy ny hafa.
Anisan'ny tena ilana an'io anaran'Andriamanitra io ny fisehoan-javatra tahaka ireny.
Raha manonona na mitondra an'io anarana io amin'ny fotoana tahaka ireny, dia tsy maintsy hieren-doza, tsy maintsy hisy hirika hahafahanao na tsy manam-po na inona na inona aza ny tena.

Raha firenena moa no manana azy dia ho voaaro amin'ny fanafihana mety hataon'ny firenen-kafa.
Izany hoe raha mpitondra firenena no manana azy,
Matoa moa tsy nomen'Andriamanitra an'izany ny Mpitondra, satria tsy Andriamanitra no nanendry azy ary tsy sitrany izy.
Ny Mesia, voatendrin'Andriamanitra ihany no nomeny azy, izy no itokisany.

Ny fampiasana azy

Azo tononina izy raha hainao ny manonona azy,
Azo soratana izy saingy mila fitandremana be,
Azo atao sary,
Azo entina manaraka ny tena na atao ao an-trano sy amin'ny fitaovana maro samihafa.
Samy ananan'ny mpanoratra sy hainy avokoa ireo.

Ny Fepetra ahafahana mampiasa azy

Fahamendrehana dia ampy raha te hampiasa azy,
Na manana toerana ambony ao amin'ny fiangonana misy anao ianao na tsy manana,
Na manana fiangonana ianao na tsy manana,
Na mpitondra fivavahana ianao na olon-tsotra, tahaka ny mpanoratra,
Na inona na inona asanao na kilasy misy anao,
Tsy miankina amina rà na saranga ihany koa,
Tsotra ny tiana ambara, afaka manana azy izay rehetra te handeha amin'ny fahamarinana sy mangetaheta hiaina ao anaty fandriampahalemana.

Mila mahazo alalana vao  mampiasa azy

Marihina eto aloha fa na nahazo alalana tamin'ny tompon'io anarana io aza ny tena hamoaka sy hizara azy amin'ny hafa, dia tsy mbola sahy nanome na iza na iza hatreto,
ary izay hahazo azy dia tsy hisy hahalala afa-tsy izy tenanay ihany, ary tsy afaka manaparitaka azy.
Tsy azo amitahana ary tsy azo vazivazina ity anarana ity ka tsy maintsy malina.
Mijanona ao an-dohan'ny mpanoratra izy aloha hatreto.

Commentaires (1)

mamy
miandry ny toniny

Ajouter un commentaire