Créer un site internet

TONONKALO

ANGAMBA, TSY ANGAMBA

Alim-be ety,
Ary
…………..
Manonofy izao ny foko
Ny fitiavako mifofo
Hoe hiaraka aminao
Mihovitra ao anatiny ao
Miteny izy fa tsy re
Angamba tiany ise ?
Eny, tsy angamba, eny
Mirehitra ny foko
Maniry koa ny nofo
Te hifamihina aminao
Mitsiriritra ny vatanao
Moa ise bikàna be
Sa adala izy ve ?
Angamba aho tia,
Eny, Tsy angamba, eny
Eto ve no hitafa ?
Sa koa any an-kafa ?
Fa hiaraka atsy ho atsy
Aza valiana an-taratasy
Raha tia, matokia
Fa izaho hiaro an-dry
Ny ahiahianao, raha misy
Lazao ahy, aza miahotra mihitsy
Ianao ilay zazavavy
Tiako hantsoina hoe malala
Moa ny ampontsika izao sahala ?
……………………………

Ajouter un commentaire